Nivoa-dra tanteraka ny tavan’ilay lehilahy hita faty tao ambanin’ny tetezan’Ankadindratombo, fokontany Mandroseza, boriborintany faharoa, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy 22 minitra. “Nitsambikina teo ambonin’ny tetezana io lehilahy io sy ny sakaizany izay voalaza fa bevohoka, ny alin’ny alahady 2 novambra teo, tamin’ny 8 ora”, hoy ny fanazavan’i Rijaharisoa, mponina ao Mandroseza sady nanatri-maso. Samy manana ny fitantarany momba ny zava-nitranga ireo mponina eo amin’ny manodidina. “Nisy disadisa ka nanavotra ilay vehivavy sakaizany izay nitsambikina ity lehilahy ity. Ankilany, misy milaza fa nifanoroka io lehilahy io sy ilay sakaizany alohan’ny nitsambikinan’izy ireo niaraka”, hoy ny loharanom-baovao. Naharay antso ny sampana mpamonjy voina tamin’ny alahady, tamin’ ny 9 ora sy fahefany alina. “Niatrana teny an-toerana izy ireo tamin’ny 9 ora sy 22 minitra ka niroso avy hatrany tamin’ny fikarohana. “Naharitra hatramin’ny misasakalina ny ekipa nanao ny fikarohana saingy nananosarotra ka notohizana vao mangiran-dratsy”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny sampana mpamonjy voina eto Antananarivo Renivohitra, ny kaomandà Ralaivanoro Olivier. Niatrana fanindroany teny an-toerana ireo mpamonjy voina, omaly, tamin’ny 5 ora maraina. Hita ny nofo mangatsiakan’ilay lehilahy ora roa taorian’io. “Tsy afaka manamafy na tsia ny fisian’ ny olona faharoa anatin’io rano io aho”, hoy ny lehiben’ny Mpamonjy voina.
Hifampitadiavana
Nanohy ny fikarohana ilay voalaza ho sakaizan’io lehilahy hita faty io hatramin’ny 12 ora atoandro, ireto farany. Tsy mponina eny amin’ny fokontany manodidina io lehilahy hita faty io, araka ny loharanom-baovao. Tsy nahitana taratasy mirakitra ny mombamomba azy rahateo teny aminy. “Miandry ny fitarainana ataon’izay milaza ho very havana vehivavy eny anivon’ny fokontany manodidina na mpitandro filaminana izahay mpamonjy voina ka miverina manao fikarohana aorian’izay”, hoy ny fanazavana. Tsy voamarina mazava, araka izany, raha toa ka tena olona miisa roa na io lehilahy io ihany no nitsoraka tao anaty rano. Tsiahivina, vao ny sabotsy 25 oktobra lasa teo, nisy ilam-pen’ olona iray hitan’ny fokonolona tao anatin’io rano eny Ankadindratombo io.
Tsiferana R.




