Volley-Amboaran’i Madagasikara : Nifampizaran’ny ekipa efatra ny fandresena

Notanterahina teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Anko­rondrano, ny sabotsy lasa teo, ny fiadiana ny amboaran’i Ma­dagasikara, taranja volley-ball, sokajy latsaky ny 20 taona sy ny diviziona faharoa (D2), lahy sy vavy. Nifampiza­rana tanteraka ny amboara tamin’ity fiadiana ny amboaran’i Ma­dagasikara, sokajy U20 sy D2 lahy sy vavy ity, raha jerena ny voka-dalao. Nan­drom­baka ny amboara voalohany tamin’ny diviziona faharoa (D2), ve­hivavy, ny ekipan’ny Zandari­mariam-pirenena (GNVB) re­he­fa nandresy ny ekipan’ny Akany Sambatra Itaosy (ASI) tamin’ny seta 3 no ho 2. Naha­zo ny amboara faharoa tamin’
ny sokajy latsaky ny 20 taona, vehivavy, kosa ny ekipan’ny Bi’As, rehefa nandavo ny ekipan’ny GNVB tamin’ny seta 3 no ho 1.
Tetsy ankilany, lalao anisan’ny nandrasan’ny maro ny famaranana teo amin’ny ekipan’ny GNVB sy ny ASI. Raha ny vokatra, afa-bela tamin’ny ekipan’ny GNVB ny ASI, teo amin’ny sokajy lehilahy latsaky ny 20 taona, rehefa nibata fandresena tamin’ny seta 3 no ho 1. Resin’ny ASI tamin’ny isa 25 no ho 17 ny GNVB, teo amin’ny seta fahefatra farany, ka azon’izy ireo ny amboara, tamin’ity taona 2025 ity. Na­marana ny fifaninanana ny sa­botsy teo ny nandrombahan’izy ireo ny fandresena nanoloana ny ekipan’ny Nadjy, tamin’ny seta 3 no ho 1.
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ity, teny an-toerana, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanja­hantena, Rasambany Alain Désiré. Nohamafisiny, nandritra ny lahateny nataony, ny fa­havononan’ny minisitera ha­nohana ny atleta.

Mi.Raz

Partager sur: