Fanamafisana ny filaminana : Nametraka paikady ny OMC nasionaly

Nivory miaraka ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, sy ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana sy ny lafintany, eo anivon’ny OMC nasionaly, afakomaly alina.

Niompana tamin’ny filaminana amin’ny ankapobeny ny dinika ka tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny paikady rehetra hiatrehana izany.
Anisan’ny nifanakalozan’ ireo tomponandraikitra ny fanamafisana ny filaminana amin’ireo sehatra rehetra manana andraikitra amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Tafiditra ao anatin’ izany koa ny fanamafisana sy ny fanatevenana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo tomponandraikitra rehetra. Na ny avy eto amin’ny foibe izany na koa ny avy any amin’ireo lafintany rehetra. « Atao izany mba hitandroana mandrakariva ny fitoniana ara-tsosialy ho an’ny vahoaka rehetra manerana ny Nosy », hoy izy ireo.
Tapaka tamin’izao fihaonana izao koa ny hanamafi­sana orina ny fahefam-panjakana amin’ny faritra rehetra sy ny andraikitry ny solontenam-panjakana. Hitarika sy handrindra ny asan’ireo OMC any amin’ny faritra sy ny distrika tsirairay izy ireo ho amin’ny famerenana tanteraka ny filaminana.

Fanarahan-dalàna hatrany

Etsy andaniny, nanentana ny rehetra hijanona ao anatin’ny fanarahan-dalàna ny Praiminisitra manoloana ireo fifandiran-kevitra maro samihafa. « Tena zava-dehibe ary ilaintsika ny fifanomezan-tanana eo amin’ireo tompon’andraikitra rehetra sy ny vahoaka », hoy izy. Antoka hampanjariana ny soatoavina fototra efa napetraky ny lehiben’ny governemanta. Ani­san’­izany ny fanajana, ny fihavanana, ary ny fiaraha-mientana izany.

Synèse R.

Partager sur: