Kianja Barea Mahamasina : Vita ny 90 isan-jaton’ny asa fanamboarana

Nambaran’ny tale jeneraly vaovao, eo anivon’ny orinasa KBM, Rasolovoninjatovo Ma­dy, omaly, fa efa ny 90 isan-jaton’ ny asa, ankehitriny, no efa vita amin’ny fanamboarana ity kianja ity. Ny folo isan-jato kosa, na ny fiandrasana ny fahavi­tan’ireo tohatra eny amin’ny “gradins”, izay singa notakin’ ny Kaonfederasionina afrikanina misahana ny baolina kitra, nandritra ny fitsirihana nataony teto Madaga­sikara, farany teo, sisa andrasana.
Afaka telo herinandro eo ny fahavitan’izany raha ela in­drindra, araka ny fanazavana nataon’ity lehibe misahana ny fikirakirana ny Kianja Barea ity. “Rehefa vita tanteraka ny asa fanamboarana dia afaka mivonona tsara sy miantso ireo mpitsirika avy amin’ny Caf isika. Tanjona ny hiverenan’ny lalao iraisam-pirenena eto amin’ny Kianja Barea”, hoy izy.

Ny 13 oktobra teo no tokony ho tonga teto ny mpitsirika ny kianja, saingy nahemotra izany noho ny toe-draharaha nisy teto amin’ny firenena.
Nanamafy ny tenany fa mitohy isan’andro ny fikara­karana ny bozaka mba hahafahana mampivoaka tsara ny endriky ny kianja, araka ny filan’ny Caf. Raha tsiahivina, ity resaka bozaka ity no tsy nahazoan’ny Malagasy fankatoavana.

Mandroso ny asa…

Raha ny tazana eny an-toerana, efa vita tanteraka ny singa hafa nangatahin’ny Ka­on­federasionina afrikanina, toy ny fanavahana ny toeran’ ny olo-manan-kaja sy ny tena manana ny hajany eto amin’ny firenena. Eo ihany koa ny toeran’ny mpanao gazety sy ny efitrano manokana hisoloan’ ny mpilalao fanamiana… Tsara ny mampahafantatra fa mia­ra-misalahy amin’ny fanambo­arana ny kianja ny orinasa KBM, ny Federasionina mala­gasin’ny baolina kitra (FMF) ary ny minisitera roa dia ny misahana ny Fananjariana ny tany (MATSF) sy ny Fana­tanja­hantena (MJS).

Fitia Randria

Partager sur: