Karate-« Mada 2025 »: Nanjaka ny ligin’Analamanga

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja karate ho an’olon-tokana, teo amin’ ny sokajy Cadet, Junior ary Senior. Nanjaka ny mpika­troka avy eto amin’ny ligin’ Ana­lamanga, raha ny vokatra, satria norombahin’izy ireo ny medaly volamena 19 tamin’ ireo 23 niadiana. Anisan’ny nisongadina i Rija, izay ao anatin’ny ekipa nasionaly, nahazo ny fandresena teo amin’ny sokajy Senior latsaky ny 75 kg, lehilahy. Teo amin’ ny sokajy vehivavy kosa, na­hazo ny medaly volamena teo amin’ny latsaky ny 68 kg, i Hasminah. Ligy anisan’ny nisongadina ihany koa ny ligy mampiantrano, i Vakinan­ka­ratra sy ny ligin’i Matsiatra Am­bony, izay samy nahazo me­daly volamena 5 avy. Tsi­a­hivina fa ligy 20 no nandray anjara tamin’ity fifaninanana nasionaly ity. izay nahitana mpikatroka manodidina ny 400. “Nahatsapana ny fivoa­ran’ny teknika ity fifaninanam-pirenena ity”, araka ny nambaran’ny filohan’ny Fede­ra­sio­nin’ny Karate-do malagasy, Ratefinanahary Émile. Nifa­ninana tao anatin’ny fifanajana tanteraka ireo mpikatroka rehetra.

Mi.Raz

Partager sur: