Miatrana eny an-kianja hatrany saingy miato ny fisavana an-dalambe ataon’ny polisy misahana ny fifamoivoizana, araka ny naoty nivoaka teo anivon’ny polisim-pirenena, omaly.
Mifototra amin’ny fampiharana ny asa amin’ny ankapobeny, toy ny fampanarahan-dalàna sy fanentanana ny vahoaka hanara-dalàna ny polisim-pirenena. Tsy hisy, mandritra ny fotoana tsy voafaritra, ny fisavana mahazatra ataon’ireo polisy miasa eny an-dalambe, araka ny tatitra navoakan’ny polisim-pirenena, omaly. “Miatrana hatrany eny an-kianja ny polisy ary manao ny asany saingy natsahatra kosa ilay fisavana ny fiara rehetra mifamezivezy”, hoy ny fanampim-panazavana voaray teo anivon’ny tomponandraikitry ny seraseran’ny polisim-pirenena. Mihatra hatrany kosa ny fampiharan-dalàna ho an’ireo mpampiasa arabe mandika lalàna. “Natokana ho an’ny samy polisy io naoty io saingy nisy nanaparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera”, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Na izany aza, manan-jo haka ny taratasin’ny fiara na moto izay tsy manara-dalàna ireo polisy rehetra manao ny asany.
Paikady vaovao
Tafiditra anatin’ny fametrahana paikady vaovao hiasan’ny polisim-pirenena io fampitsaharana vonjimaika ny fisavana an-dalambe eny an-kianja io. Hentitra hatrany amin’ny fampanarahan-dalàna izy ireo ary tsy hilefitra ho an’izay minia mandika izany. Fitokisan’ny vahoaka rahateo izay anisan’ny vaindohan-draharaha imasoan’ny polisim-pirenena taorian’ny korontana nisy teto anivon’ny firenena, volana vitsy lasa. Tanjon’izy ireo ny haneho hatrany ny fiombonany amin’ny vahoaka. Miaro ny vahoaka sy ny fananany ary misambotra ny mpanao ratsy.
Tsiferana
Randriatiana




