Nitondra fanazavana momba ny resa-bola eo anivon’ny Cnaps ny tale jeneraly, Rahaingonjatovo Vimbina, omaly, tetsy Ampefiloha. Anisan’ny noresahiny ny manodidina ilay vola 11 miliara Ariary, nindramin’ny SMGD.
Nanambara ity tomponandraikitra ity fa ho alain’ny Cnaps ny Société municipale de gestion digitale (SMGD), raha tsy voaloa ny 7 miliara Ar ambiny. Notsiahiviny fa nanao fifanarahana ny mpitantana teo anivon’ny Cnaps sy ny SMGD niaraka tamin’ny CUA, momba ny findramam-bola 11 miliara Ariary, ny volana febroary 2021. « Mandritra ny 60 volana, nanomboka ny febroary 2022 no tokony hamerina io vola io miaraka amin’ny zanany ny SMGD, araka ny fifanarahana», hoy izy. Nanteriny fa nanomboka namerim-bola isam-bolana ny SMGD hatramin’ny avrily 2024, araka ilay fifanarahana. Tamin’io fotoana io ihany koa izy ireo no voalaza fa nandoa vola farany ary naharaisan’ny Cnaps vola 5 miliara Ariary, araka ny nambarany. Raha jerena izany, nahaloa vola hatrany ny SMDG nandritra ny naha ben’ny Tanàna an’Andriantsitohaina Naina fa rehefa niova ny fitantanana ny Tanàna vao tsy nisy intsony ny fandoavana izany. «Mitentina 7 miliara Ariary mahery hatramin’izao no mbola tsy voaloan’ny SMGD. Ho alain’ny Cnaps 100% ny SMGD ary azo atao ny maka izany raha toa ka tsy voaloa ny vola ambiny », hoy izy.
Marihina fa azon’ny Cnaps atao ny mampindram-bola sy manangana fotodrafitrasa mba hampitomboany ny vola eo am-pelatanany hahafahany mandoa ny karaman’ny mpiasa sy fampandehanan-draharaha ao aminy. Fampindramam-bola ho amin’ny lafiny fampandrosoana sy ho tombontsoan’ny besinimaro kosa anefa fa tsy ho amin’ny sehatra ara-barotra. Anisan’ izany ny fanampiana nandritra ny valanaretina Covid-19 ireny, tamin’ny alalan’ny Tsinjo fameno izay mitentina 50 miliara Ariary.
Tsara marihina fa raha nitohy ny famerenam-bola nataon’ny SMGD izay voalaza fa mitentina 5,8 miliara Ariary hatramin’ny volana avrily 2024, tokony efa mahatratra 9 miliara mahery izany no voaloa ankehitriny.
Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina
Etsy andaniny, efa nanambara ny ben’ny Tanàna teo aloha eto Antananarivo Renivohitra (2020 hatramin’ny 2024), Andriantsitohaina Naina, herinandro vitsy lasa fa nanaja ny fifanaraham-piaraha-miasa rehetra ny tenany, hatramin’ny andro farany nisahanany andraikitra naha ben’ny Tanàna azy. «Nandoa hatrany ny vola tokony haloany ho an’ny Cnaps isam-bolana ny SMGD. Misy ny kaonty, misy ny taratasy fanamarinana ary azo aseho izany», hoy izy. Nohamafisiny fa vonona ny tenany hanazava sy hanome ny antontan-taratasy rehetra, na tamin’ny naha minisitra azy, na tamin’ny naha ben’ny Tanàna azy. Mazava na amin’ny lafiny lalàna, na amin’ny lafiny fitantanam-bola sy ny antontan-kevitra ary ny fanamarinana izany rehetra izany, araka ny nambarany hatrany. Araka izany, efa taty aorian’ny nanendrena an’Andriantsitohaina Naina ho minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany ny tohin’ny raharaha.
Synèse R.




