Nanomboka ny taona 2017 hatramin’ny taona 2022 ny Fandaharanasa iadiana amin’ny fihotsahan’ny tany, andiany fahefatra (PLAE IV). Teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), novatsian’ny firenena Alemà, tamin’ny alalan’ny KFW ara-bola. Faritra efatra no voakasiky ny fandaharanasa: Amoron’i Mania, Masiatra Ambony, Ihorombe ary Sofia. Tanjona ny hiarovana ny fihotsahan’ny tany, ny fananantany ary ny sahandriaka any amin’ireo kaominina voakasika.
Maro ny zava-bita. Ho an’ny faritra Sofia manokana, nahatratra 3 100 ha ny velaran-tany nambolen-kazo tao anatin’izay 5 taona izay. Mirefy 1 300 ha ny tanimbary, tanimboly 1 315 ha narovana. Miisa 302 ny karatany nozaraina tamin’ireo mpisitraka ny fandaharanasa.
Faritra telo
Nisy ny fanatsarana ny tanjona ho an’ny andiany PLAE fahadimy sy fahenina. Ampifanarahana amin’ny vina afrikana AFR100/RPF. Mahakasika ny faritra telo tapany atsimo (Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe) amin’ny PLAE IV, nanomboka ny taona 2023. Tsy voakasik’ity kosa ny faritra Sofia, fa kosa mametraka ny paikady hampaharitra ny zava-bita, iarahana amin’ireo fitantanam-paritra any an-toerana (Dredd, Drae, DRATSF) sy ireo tomponandraikitra any ifotony ary ny mpiara-miombon’antoka samihafa (FFTS, The Peregrine Fund, Durell) nandritra ny PLAE IV.
Nisy ny fidinana ifoton’ny tomponandraikitra tany Sofia, ny 27 hatramin’ny 30 oktobra 2025 teo. Nampahafantarina ny famaranana ny PLAE IV. Nozaraina ny karatany sy fitaovam-piasana isan-karazany, toy ny tsofa, hetibe fanetezana zavamaniry, siny fanondrahana, sns. Nisy atrikasa fanomanana ny famaranana ny 31 oktobra 2025.
Njaka Andriantefiarinesy




