Handray anjara amin’ny salon « solidarissimo » atao ao Colmar, Alsace-France, i Madagasikara. Hetsika tafiditra ao anatin’ny « Salon international du tourisme et des voyages (SITV) », natokana ho an’ny fizahantany maharitra sy mirindra. Atao ny 7 ka hatramin’ny 9 novambra izao ny hetsika, hahafahan’i Madagasikara mampahafantatra ny hakanton’ny Nosy sy hampiroboroboana indray ny fizahantany eto an-toerana.
Tsara ny vokatry ny siramamy eto amintsika tamin’ity taom-pamokarana ity. Tombanana ho tafakatra 71 000 t ny vokatra ao Ambilobe, andrasana hiakatra 25 000 t kosa ny ao Namakia. Tsara ireo raha oharina ny tamin’ny taon-dasa izay 59 066 t ho an’ny vokatra tao Ambilobe ary 23 207t ny tao Namakia.
Mitentina 2 049 miliara Ar ny tetibola atokana ho an’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo ho an’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2026. Nitombo 54% izany raha oharina ny tamin’ity taona ity izay 1 331 miliara Ar. Fiakarana lehibe indrindra amin’ny tetibolam-panjakana. Tanjona ny hanamaivanana ny fiankinandoha amin’ny fampiasana solika.




