Miahy ny ankizy marefo sy mampisitraka zo ho azy ireo ny Consortium Kilonga Manonga. Mivondrona ireo fikambanana hanatratra ny tanjona sy hitady mpiara-miombon’antoka maharitra. Miahy ny ankizy marefo sy mampisitraka zo ho azy ireo ny Consortium Kilonga Manonga.
Nampahafantarina omaly, teny Anosy, ny fijoroan’ny Consortium Kilonga Manonga, sehatra iray ivondronan’ireo fikambanana maro miahy ny ankizy marefo eto Antananarivo.
Ao anatin’ity fikambanambe ity ny ONG Manda, ny Hardy, Betani ary ny AIC. Mitovy ny tarigetra, dia ny hanarina ireo ankizy marefo ary hitondra fiainana tsaratsara kokoa ho azy ireo. Manambatra hery, araka izany, ireo fikambanana mba handroso miaraka sy hanatratra tanjona. Sehatra iray hahafahana mandresy lahatra ny mpamatsy vola ny fiombonana sy fiarahana ka izany indrindra no hijoroan’ny Consortium.
Hatramin’izay, tamin’ny alalan’ny tohana avy amin’ny Asmae no nahafahan’ny rafitra niaina sy nanao ny asa fikarakarana ankizy teto Antananarivo. Tanjona ny hampaharitra ny asa sosialy atao amin’ ireo ankizy zanaky ny sahirana sy ny kamboty. Miaro ny ankizy sy mampisitraka ny zony koa izy ireo.
Mitsahatra anefa, ankehitriny, ny fanohanan’ny Asmae ireo ONG mpikarakara ankizy marefo ireo, ka izany indrindra no hitambarana hitady mpiara-miombon’antoka, hahafahana manohy sy mampaharitra ny asa. Mbola mila ezaka be ny fampisitrahana ny zon’ny ankizy eto Antananarivo.
Fampianarana sy ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ary ady amin’ny fanavakavahana no tena ataon’ny Kilonga Manonga. Ankoatra ireo ny fampahafantarana sy ny fampisitrahana zo.
2 000 ny ankizy misitraka sakafo sy fampianarana ary fitsaboana. 475 no hofanina arakasa ary 400 no ampianarina amin’ny garabola. 1 000 ny ray aman-dreny tohanana amin’ny fihariana sy fahaleovantena ara-pivelomana. Mbola misitraka fitsaboana ihany koa ireo ray aman-dreny ireo.
Tatiana A




