Namoy ny ainy, afakomaly, ny lehilahy iray, voan’ny bala teo amin’ny kibony. Anisan’ny lasibatra nandritra ny fifampitifirana teny Andranoro ny tenany.
Tsy tana ny alin’ny alarobia 5 novambra teo ny ain’i Nekena, tovolahy voan’ny bala teo amin’ny kibony nandritra ny savorovoro teny amin’ny fokontany Andranoro, kaominina Antehiroka Ambohibao, ny alin’ny 26 septambara lasa teo. Nandalo fandidiana intelo noho ny faharatrana mafy taorian’ny nahavoan’ny tifitra azy io tovolahy io. Nahazo alalana hody izy saingy nihombo tao anatin’ny andro vitsy ny tsy fahasalamany. Nanao antso avo tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ireo olona
akaiky azy. Niantso ireo malala-tanana. Namoy ny ainy ihany izy na dia teo aza ny ezaka sy antso natao tamin’ny rehetra hahafahana mitsabo azy.
Nirava avy niasa
Araka ny angom-baovao, nirava avy niasa ka nikasa hamonjy fodiana izy tamin’ny fotoana nahavoatifitra azy. Nirefodrefotra tampoka ny basy, tsy lavitry ny trano fonenan’ny ray aman-drenin’ny filoham-pirenena teo aloha, teny amin’ny fokontany Andranoro, ny alin’ny zoma 26 septambra lasa teo. Nifanandrify indrindra amin’ny lalan’i Nekena izany ka anisan’ireo voan’ny bala tamin’io fotoana io ny tenany.
Nentin’ny olona akaiky azy namonjy hopitaly avy hatrany i Nekena. Niroso tamin’ny fitsaboana ny mpitsabo. Ireto farany izay nanao izay ho afany namerenana tamin’ny laoniny ny fahasalaman’ireo naratra tamin’io poa-basy nitranga io.
Marihina fa misy olona hafa mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana noho ny ratra nahazo azy vokatr’io fitifirana io. Tsy izy irery fa nisy olon-kafa ihany koa naratra nandritra ny fifampitifirana.
Tsiferana R.




