Ambatondrazaka : Tratra ny vato ametista 19,30 kilao

Araka ny vaovao nampitain’ny Polisim-pirenena Fip Ambatondrazaka, nisy vatosoa tsy ara-dalàna, ametista, mi­lanja 19,30 kilao, tratran’izy ireo ny alahady 2 novambra teo. Voalaza fa avy any anaty ala faritra arovana any Tanandava, eo amin’ny fizaran’ny faritra Alaotra Mangoro sy Analanjirofo no nivoahan’ireo vatosoa ireo. Nandray andraikitra avy ha­trany ny talem-paritry ny Harena an-kibon’ny tany Alaotra Mangoro, Rakotomaharo Andonandrianina, niaraka tamin’ny ekipany. Nogiazana ireo vatosoa ametista ireo, rehefa voamarina fa nisy ny fandikan-dalàna, araka ny sata mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Notanterahina niaraka tamin’ny manam-pahefana isan-tsokajiny ny asa, ka anisan’izany ny Fitantanana ny Polisin’ny Harena an-kibon’ny tany, manana andraikitra manokana amin’ny fampanajana ny fitsipika sy ny lalàna mifehy ny harena ambanin’ny tany.
Tsy nisy ny olona tratra sady tsy fantatra ny tompon’ireo vatosoa ireo. Na izany aza, mitohy ny fanadihadiana lalina, hikarohana an’izay olona mety ho voarohirohy mahakasika ity raharaha ity.

Njaka A.

Partager sur: