Fanafoanana ny Agoa : Hapetraka ny drafi-piaraha-miasa maharitra

Tandindomin-doza ny se­hatry ny lamba sy ny fitafiana taorian’ny fahataperan’ny fifanarahan’ny African Growth and Opportunity Act (Agoa) sy ny fampiakarana hetra ho 15% nanomboka ny 7 aogositra teo. Antony nahatonga ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria (CCIA) nametraka paikady hanarenana ny se­hatry ny lamba ka hametraka indray ny « vita malagasy » ho ivon’ny fifanakalozana ara-barotra iraisam-pire­nena. ­Tan­­jona ny hisian’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny fanjakana, ny sehatra tsy mian­kina ary ireo mpiara-miombon’ antoka ara-teknika, mba hitondram-bahaolana hanarenana ity sehatra ity. Ao ana­tin’izay ny hanamafisana ny fifaninanana eo amin’ny orinasa eto an-toerana, hanentanana ny fanjifana ny vokatra vita malagasy ary hamolavola drafi-piaraha-miasa ho amin’ny fanarenana maharitra. « Ani­san’­iza­ny ny hanitarana ny tsena fanondranana mankany Afrika, Eoropa, ao amin’ny ranomasimbe Indianina ary any Azia », hoy ny filohan’ny CCIA, Razafintsalama Gil. Mandray ny vokatra malagasy ny tsena amerikanina. Maha­tratra 216 tapitrisa dolara ny vokatra naondrana, arahin’i Frantsa, 94,5 tapitrisa dolara, Afrika Atsimo, 84 tapitrisa dolara ary ny Vondrona eoropeanina, 145 tapitrisa dolara. Maherin’ny 100 000 ny asa mivantana ao anatin’ity sehatra ity ary vehivavy ny ankamaroany. Manodidina ny 500 tapitrisa dolara isan-taona ny vola azo amin’ny fanondranan’ entana. « Mitentina 494 tapitrisa dolara ny lamba naondran’i Madagasikara ny taona 2024, ka mametraka azy ho loha­laharana amin’ny vokatra fa­nondrana. Manaraka azy ny Nikela izay mitentina 463 tapitrisa dolara ary ireo hanitra fanao amin’ny sakafo, mitentina 447 tapitrisa dolara », raha ny antotanisa navo­akan’ny Trade Map.

Vina
« Tsy mbola vita tanteraka ny raharaha Agoa, ary tsy mbola misy filazana ofisialy milaza fa tapitra tanteraka izany » hoy ny filohan’ny vondron’ny orinasa afakaba sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy (GEFP), Chan Ching Yiu Béatrice. Tsara, hoy izy, ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ny Amerikanina. Ankehitriny, mirona mankany amin’ny fanitarana ny Agoa isika ka izay no imasoana ho an’ny tombontsoan’ny toekarena. « Na izany, mila miomana amin’ny tranga rehetra mety hiseho isika na tsara na ratsy ny vokatry ny fifanakalozana hiarahana amin’ny amerikanina », hoy ny filohan’ny CCIA.

Henintsoa

Partager sur: