VAOVAO TAMBATRA

Mamokatra taretra 17 578 taonina isan-taona i Madagasikara, ka mametraka ny firenena eo amin’ny laharana fahefatra maneran-tany amin’ny famokarana izany, aorian’i Brésil, Tanzanie ary Kenya. Na izany aza, tsy ampy ny tohana ara-bola sy ny fotodrafitrasa ho an’ny mpamokatra ka mampananosarotra ny hidirantsika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mila ma­nana paikady mazava sy maharitra ny sehatra ham­piroboroboana ny indostria.

Napetraka ny fari-pitrandrahan’ny mpitrandraka madinika any amin’ny kaominina Mizilo, distrika Manakara. Nidina ifotony tany an-toerana ny fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany Fitovinany, Atsimo Atsinanana, sy ny BCMM, ny 3 novambra teo. Notsidihina ny toeram-pitrandrahana vatosoa Beryl, sady hametrahana ny faritra hanomezana tantsoroka ny mpitrandraka madinika, mba hampidirina ao ana­tin’ny ara-dalàna.

Nanomboka ny 5 novambra teo ny fiofanana momba ny asa tanana vita amin’ny rofia, ho an’ny tanora ao amin’ny fikambanana Akanin’ny Marenina (Akama). Iarahana amin’ny orinasa Lenka izany ary atao ao amin’ity orinasa ity ihany. Maharitra 2 herinandro ny fiofanana. Fiaraha-miasan’ny Fitantanam-paritry ny asa tanana, ny Cenam ary ny orinasa Lenka. Sady mianatra manodina, manamboatra ary mivarotra ny vokatra ireo tanora mpiofana.

Partager sur: