Fifindran-dRakol ao Mouloudia : neken’ny CFFA ny fandehanany any Algerie

Notanterahina ny alatsinainy lasa teo ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Moulou­dia Alger sy ny CFFA, ny amin’ny fifindran-toeran-dRazafindranaivo Koloina, hilalao any Algerie. Miten­tina 50.000 Euros na 232 tapitrisa Ar ny teti-bidin’ izao fandehanan’ity mpilalaon’ny CFFA Andohara­nofotsy ity izao, hilalao ao Mouloudia mandritra ny 3 taona sy tapany. Nambaran-dRakotoarimanana Henin­tsoa (Tôta), ben’ny Tanànan’ Andoharanofotsy fa natao mangarahara ny fifindrany ary mirotsaka mivantana ao amin’ny klioban’ny CFFA izay an’ny kaominina Ando­haranofotsy io vola io. No­hamafisiny fa afaka hampandrosoana amin’ny alalan’ ny baolina kitra ny kaominina. “Izany rehetra izany dia noho ny ezaky ny maro ka anisan’izany ny fifanina­nana Orange Pro League (OPL). Isaorana ny filoham-pirenena nanao kianja maro manerana ny faritra hahafahan’ireo mpilalao mivelatra”, hoy izy.
Tsy nolazaina kosa ny ho karaman-dRakol fa anisan’ ireo tombontsoa azony ny fahazoany fiara manokana, ny fahafahany mitondra ny vadiny sy ny trano hipetrahana any Alger sy ny hafa.
Nilaza i Tôta fa nojerena avokoa ireo pitsopitsony rehetra ka rehefa hita fa misy tombony sy hampivoatra ilay mpilalao vao nirosoana ny fanaovan-tsonia. Klioba D1 ao Alger, ny Mouloudia ary anisan’ny ekipa efa antitra. Tsiahivina fa tapitra omaly talata 31 janoary ny fe-potoana hahafahana mif­indra klioba (Mercato).

Tompondaka

Partager sur: