Kitra any ivelany: maratra I Ferland Mendy, sahirana i Real Madrid

Fantatra omaly, tao anaty tambajotran-tserasera fa tsy afaka hilalao mandritra ny roa volana i Ferland Mendy, mpilalao Frantsay milalao ao amin’ny Real Madrid Espaina. Araka ny vaovao dia ilay ratra nahazo azy tamin’ny lalao ampahavalon-dalana ny “Coupe du Roi Espagne”, izay nihaonan’ i Real Madrid sy Atletico Madrid no nitarika izao tsy fahatomombana ara-pahasalamana mahazo azy izao.
Misendra olana mafy i Real satria mpilalao isan’ny tena ilaina ao anaty ekipa i Mendy. Tsy afaka hilalao izy izany amin’ny lalao mandroson’ny fiadiana ny ho tompondaka ny Eoropa “Ligue des Champions”, izay hi­haonan’i Real Madrid sy Liverpool. Lalao hotanterahina amin’ny 21 febroary ho avy izao, any Anfield. Raha ny sision-dresaka dia i David Alaba no hanolo ny toerany.
Marihina fa tsy afaka ny hilalao koa izy izany amin’ ny lalao manasa-dalana ny “Coupe du Roi”, izay hihaonan’ny Real Madrid sy ny Fc Barcelone amin’ny 2 mar­tsa ho avy izao.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: