Tatitry ny BNGRC: 33 ireo maty, 20 ireo tsy hita popoka

Miisa 33 ireo olona maty vokatry ny rivodoza Cheneso teto amin’ny Nosy. Maha­tratra 20 ireo tsy hita popoka tao anatin’izany raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC ( birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza), omaly. Mahatratra 90.870 ireo olona traboina manerana ny Nosy. Mitsinjara amin’ny faritra 17 ny 20.980 amin’izy ireo. Ani­san’ny tafiditra amin’izany ny faritra Boeny, Sofia, Analanjirofo ary Analamanga. Miisa 34.114 ireo olona tsy maintsy nafindra toerana. Mitsinjara amin’ny toerana samihafa miisa 115 ao anatin’ny faritra miisa fito izy ireo. Vokatry ny tondra-drano sy ny fahapotehan’ny trano fonenana nateraky ny rotsak’orana be loatra. Ankehitriny, efa ni­verina amin’ny toerana misy azy avokoa ny ankamaroan’ireo traboina ireo. Marihina fa efa nihena ny rano eny amin’ireo toerana dibo-drano anisan’izany ny eto Analamanga. Mahatratra 26 403 ireo tanimbary dibo-drano manerana ny Nosy. 1073 amin’ireo simba sy potika tanteraka. Maha­tratra amin’ny hektara maro ny voly vary simba vokatr’izany. Maro ny fotodrafitrasa simba, anisan’izany ny trano, ny sekoly, ny hopitaly, ny lala­na ary ny tetezana. Na­hatratra 225 ireo sekoly simba sy dibo-drano. Mpianatra ma­herin’ny 12.843 voakasik’izany. Anisan’ny nahazo fanampiana avy amin’ny BNGRC ny mpianatra tany Maroan­tsetra. Mbola nisitraka rano madio sy fitaovana fidiovana avy amin’ny Unicef ihany koa izy ireo.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: