Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny “35° Unité de Protection Civile” na ny “5UPC » ao Antsirabe ny 30 janoary teo.
Notanterahina niaraka tamin’izany koa, ny lanonana fandraisana fibaikoana ho an’ny Komandin’ity holafy vaovao ity, ny Kapiteny Raharimanitra Sitraka. Nisitraka fanampiana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka Frantsay ny tananàn’Antsirabe ka nahafahana nanangana ny 5UPC. Hanatanteraka ny asan’ny mpamonjy voina na « sapeurs pompiers » izay tsy misy ao an-tampon-tanàna izany. Hanafaingana ny famonjena ny voina mety hitranga eny anivon’ny fiaraha-monina toy izay efa niseho nandritra ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso arak’izany ny 5UPC. Ahitana miaramila manana fahaiza-manao manokana momba ny vonjy voina sy ny avotr’aina avy ao amin’ny Vondrona Vonjy Voina izany. Nanohana tamin’ny fampitaovana ity holafy ity ny “Comité des Actions culturelles du Services départemental metropolitain des services d’incendie et de secours na ny CASC” Lyon Rhône izay tarihan’ny Kly Vincent Guillot” miaraka amin’ireo delegasiona misy mpamonjy voina miisa 11. Nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard sy ny minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny fananan-tany, ary ny Lehiben’ny Etamazaoron’ ireo Tafika, niaraka tamin’ny ben’ny Tanànan’Antsirabe.
Tsiferana R.