Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Société Municipale d’Assainissement (SMA) ary ny Simiralenta niaraka tamin’ny Genre en Action.
Niompana tamin’ny fampidirana sy fampifandraisana ny miralenta eo amin’ny fanodinana sy fikirakirana ireo akora azo ampiasaina ao amin’ny Station de traitement de boues de vidange (STBV) ao amin’ ny fokontany Antanjombe Avaratra ao amin’ny EPP (boriboritany faha-6) ny fiaraha-miasa.
Tanjona ny hahafahana manampy ny « cantine scolaire » amin’ny angovo vokarin’ny SMA eo an-toerana. Hahazo tombony amin’ity tetikasa ity ihany koa ireo vehivavy marefo eo amin’ny faritra manodidina ny EPP amin’ny fahazoan’ izy ireo asa.
Ankoatra ny “biogaz” dia manampy ny fambolena legioma hamatsiana ny “cantine Scolaire” ihany koa ny zezika izay azo avy ao amin’io STBV eny Antanjombe Avaratra io.
Tafiditra ao anatin’ny veliranon’Iarivo voalohany amin’ ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina izay vatsian’ny Overdue Flexifund de l’University Collège London vola ny tetikasa. Mbola tetikasa andrana ihany anefa izao fa hitohy amin’ny toerana hafa izany.
Araka ny voalazan’ny ben’ ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina dia ny kaominina Antananarivo Renivohitra no anisany nametraka ny politikan’ny miralenta. Porofon’izany ny hamaroan’ny andriambavilanitra ao anatin’ny mpiara-miasa.
Efa nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny CUA sy ny Simiralenta niaraka tamin’ny Genre en Action à Madagascar ary mbola mitohy hatrany izany ankehitriny.
Tatiana A