Miisa 92 ny mpiofana momba ny fiompiana trondro tany amin’ny fokontany Isifotra, kaominina Analavoka, distrika Ihosy, ny 8 novambra teo. Fiofanana fiompiana trondro an-tanimbary sy fanamborana ny sakafon-trondro ary fitantanana, izay hita fa tena nahaliana azy ireo. Vonona ny hampihatra ny fahalalana nozaraina taminy izy ireo, ahafahana manatsara ny velon-tena sy ho modely ho an’ny manodidina.
Hatao eto Madagasikara, amin’ny volana jona 2026, ny Fivoriambe iraisam-pirenena momba ny fizahantany tompon’andraikitra sy maharitra. Fotoana mifanandrify amin’ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany ITM, andiany faha-10. Natao sonia ny 8 novambra teo, tany Alsace, Frantsa, ny fifanarahana niarahan’ny minisitera MTA, ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany ONTM, ny Tourisme sans frontière (TSF).
9 tamin’ireo zotra MT (Moyenne Tension) miisa 21, tapaka nandritra ny orambe ny sabotsy teo, no efa tafaverina amin’ny laoniny, omaly alahady maraina. Nitohy ny asa nanohy ny fanarenana ny simba ambiny. Marihina fa nisy koa ny fahatapahan’ny andrin-jiro, nandritra iny orambe narahina tafiodrivotra be iny.




