Nambaran’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianoimby, omaly, fa vinavinaina hisy fiforonana rivodoza vaovao indray any amin’ny ranomasimbe Indianina amin’ny faran’ity herinandro ity na ny fiandohan’ny herinandro any.
Raha ao anatin’ny dimy andro ho avy kosa dia tsy atahorana ny fiovan’ny toetr’andro mihoapampana na ny fiforonana rivodoza manodidina an’i Madagasikara.
Mikasika ny toetry ny andro ankapobeny hatramin’ny alakamisy 5 febroary dia mbola hitohy ao anatin’ny roa andro misesy ny oram-baratra ho an’ny eto afovoan-tany. Hikisaka any avaratra, avaratra andrefana sy afovoany andrefana ny oram-baratra manomboka anio.
Handrahona sy hanorana miatoato any amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy manontolo vokatry ny varatraza. Hisongadina indrindra izany any afovoany atsinanana.
Manodidina ny 14°C hatramin’ny 25°C ny maripana ambony indrindra any atsinanana ny maraina ary mety ho tafakatra any amin’ny 34°C ny atoandro.
Mila miomana amin’izany orana sy hafanana izany ireo mponina sy mpamita iraka any an-toerana manomboka amin’ ity herinandro ity.
Tatiana A