Lalam-pirenena RN 6 sy RN 4: mitohy ny fanarenana ny fiviliana vonjimaika

Na efa miverina amin’ny laonina aza ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RN 6 sy ny RN4, tsy maintsy hamafisina ny fivilian-dalana vonjimaika napetraka. Indrindra, ahina ny hisian’ny rivodoza manaraka indray.

Araka ny efa notaterina teto, azo andehanan’ny fiara rehetra, isan’izany ny kamio, ny fivilian-dalana sy ny tetezana vonjimaika any amin’ny lalam-pirenena fahenina RN 6, eo amin’ny PK 217+100 any Ambalavola Ambalafaminty, eo anelanelan’i Port Bergé sy Antsohihy. Manamafy ny minisiteran’ny Asa vaventy, fa mitohy ny asa fanamboarana sy ny fanamafisana azy, amin’ny maha vonjimaika ity fivilian-dalana ity. Misy araka izany ny fandaminana ny fifamoivoizana.
Mitohy koa ny asa fanamboarana sy ny fanatsarana ny lalana tapaka teo amin’ny PK 434+700, sampanan’Anjiajia lalam-pirenena fahefatra (An­tananarivo-Mahajanga) RN 4. Efa afaka mandeha avokoa ny fiara rehetra, isan’izany ny fiara vaventy. Tsy mitsahatra ny asa fanamboarana, ary misy koa ny fepetra sy ny fandaminana ny fifamoivoizana any an-toerana.
Manamafy ny minisiteran’ny Asa vaventy, fa tsy andoavam-bola ny fandalovana sy ny fiampitana amin’ireo lalana nisy fahatapahana.
Atahorana hisy rivodoza fanindroany

Etsy andaniny, mitaky ny mpampiasa lalana, indrindra ny fiara mpitatitra olona sy ny fiara vaventy mitondra entana, fa tokony hafainganina ny asa, indrindra mila hamafisina tsara na dia mbola vonjimaika aza. Satria, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’andro, mety hisy rivodoza faharoa, hiforona any amin’ny ranomasimbe Indiana, amin’ny faran’ity herinandro ity. Hitohy ny oram-baratra eto afovoan-tany, ary hikisaka mianavaratra sy avaratra andrefana. Koa, manahy ny mpampiasa lalana, sao hanimba lalana indray ny ora-mikija.

Njaka A.

Partager sur: