Sekoly Maarif: Namboly zana-kazo miisa 177

Aseho amin’ny alalan’ny fambolen-kazo ny fandraisana andraikitra ho fiarovana ny tontolo iainana ao amin’ny sekoly iraisam-pirenena Ma­arif Talatamaty. Nohaza­vain-dramatoa Irmak Tuncer, sek­retera fahatelo ao amin’ny masoivohon’i Torkia eto An­tananarivo, fa hetsika iara­han’ny masoivohon’i Torkia sy ny mpianatry ny sekoly Maarif manatanteraka, anehoana fa manomboka amin’ny fahazazany dia efa beazina ny mpianatra ho tia sy hiaro ny tontolo iainana.
Miisa 177 ny zana-kazo novolena ho fanamarihana ny faha-102 taona ny Repo­blikan’i Torkia, ny 11 novambra, sady faha-65 taona ny Repoblikan’i Madagasikara. Ho lasa 179 izany amin’ny taona ho avy satria ampiana zana-kazo roa isan-taona.
Nandray anjara daholo ireo solontenan’ny mpianatra ao amin’ny ambaratonga re­hetra, ny ao amin’ny garabola hatramin’ny Lycée. Tanjona ny hampitombo ny fahatsiarovan-tenan’ny ankizy hiaro ny natiora dieny mbola kely. Karazan-kazo dimy no nambolena teny Fiakarana Ivato (accacia, kininina fotsy, filao, voasarimankirana, hazo fihinam-boa isan-karazany).
Nanazava ny teknika fambolen-kazo  Ratsimanosika Ben­jamin, avy ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana. Nomarihiny fa tena mety tsara ny fotoana fambolena satria ny volana novambra no fo­toana fiandohan’ny orana, mampiroborobo ny fitomboan’ny zavamaniry. Miisa 5 ny toe­rana fambolen-kazon’ny se­koly iraisam-pirenena Maarif, An­jeva, Ampangabe, Ambohi­dratrimo, Ral Imerintsiatosika, Fiakarana Ivato).

Njaka A.

Partager sur: