Malaza eran-tany izao ny fampandrosoana ny toekarena amin’ny fampiasana ny nomerika. Ny Ligue arabe ohatra, manao tolotra maro momba izany. Fantatra izany avy amin’ireo tolotra nataony tamin’ny fivoriana tany Dubaï tamin’ny herin-taona. Nandray anjara tamin’izany i Madagasikara amin’ny fidirana ny fampiasana nomerika (digitale) ho fanovàna ny fampandehanana ny toekarena.
Nampahalalana io fidirana amin’ny nomerika io eo amin’ny fitantanana ankapobeny. Sehatra efatra nambara fa voakasik’izany eto Madagasikara : asam-panjakana indrindra momba ny fampianarana, fahasalamana sy fananan-tany, fambolena, ary fampidirana ny raharaha ara-bola sy ny fifanakalozana. Mampametra-panontaniana ihany, inona ny teknolojia vaovao fampiasa eo amin’ny fambolena eto Madagasikara ? Na ireo sehatra hafa aza, mbola vitsy ny mampiasa nomerika noho ny sakana maro.
Momba ny fifanakalozana, efa manomboka i Madagasikara amin’ny alalan’ny « e-poketra », handoavana ny karaman’ny mpampianatra, mpiasam-panjakana sasany, sy vatsim-pianarana eny amin’ny oniversite.
Vao tamin’ny herinandro lasa teo nisy fampisehoana momba izany “digitalisation” izany teto an-dRenivohitra nataon’ny Orange Digital Center. Tamin’io fotoana io no niantsoana ireo tanora mpianatra marobe hifantoka kokoa amin’izany sehatra izany.
Ndrina