Milaza ny hanapaka tanteraka ny jiro sy rano eto an-dRenivohitra ny mpiasan’ny Jirama, mpanao fitokonana, anio. Manamafy kosa ny minisitra, Ralitera Ny Ando Jurice, fa efa an-dalana ny famahana ny olana sy ny fijerena manokana ny fitakiana.
Tsy misy farany! Mitohy hatrany ny fitokonan’ny mpiasan’ny Jirama mivondrona anatin’ny sendika. Nilaza ny hanamafy ny fitakiana izy ireo, noho ny mbola tsy nahitam-bahaolana mahafapo, manoloana ny fitakiana isan-karazany. Efa nanomboka nitety ny foibe sy sampandraharahan’ny Jirama vitsivitsy eto an-dRenivohitra izy ireo, omaly. Nanala ny tariby miditra teny amin’ny foibe, Ambohijatovo. Toraka izany ny teny Antsahavola sy ny tao Ambatonakanga. Hivadika ho fanapahana faobe izany anio. Sady ho tapahan’izy ireo ny jiro no hitsahatra koa ny famatsiana ny rano, araka ny fanambaran’izy ireo. Marihina fa miompana amin’ny lafin-javatra vitsivitsy ny fitakian’izy ireo dia ny mahakasika ny sata hifehy ny Jirama, izay voalaza fa tsy mitsinjo ny mpiasa. Faharoa, ny resaka momba ilay teratany vahiny, napetraka ho tale jeneralin’ny orinasa.
Fanakorontanana
Etsy ankilan’izay, milaza ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Angovo fa fanakorontanana ataon’olom-bitsy no misy. Hisy ny fandraisana fepetra ho an’izay heverina ho mpandika lalàna.
Ny minisitra tomponandraikitra, Ralitera Ny Ando Jurice, rahateo efa nilaza fa anatin’ny fitadiavana ny vahaolana araka ny rariny sy ny hitsiny, kanefa anatin’ny fanarahan-dalàna izy ireo. “Efa jerena ny lafiny sosialy. Efa manangona ny mahakasika ny mpiasa migadra izahay. Hijery izany miaraka amin’ny fitsarana. Mahakasika ny fanesorana ny mpikambana anatin’ny Filankevi-pitantanana dia efa mijery izany akaiky izahay. Momba ny fanesorana ny tale jeneraly, mandeha ny fanadihadiana sy ny fitsirihana. Raha sanatria misy ny tsy fandehanan-draharaha araka ny tokony ho izy dia raisina avy hatrany ny fepetra”, hoy izy.
Andrasana, araka izany, ny ho fivoaran’ny toe-draharaha!
r.r




