Airtel « Quizz Mlay »: fialamboly no fahalalana ankapobeny

Ny 30 janoary 2023, olona telo nambara nahazo loka tamin’ny « Quiz Mlay ». La­lao nampanaovin’ny Airtel ny 13 novambra hatramin’ny 22 desambra 2022. Raholi­volo­lona Andriatsilaizina, Saholy Rasoharimalala sy Rako­toa­risoa Andrianiriana nahazo izany loka izany natolotra teny amin’ny foiben’ny Airtel Ivandry natrehan’ny mpitsara lalao.
« Fanohanana sy fanajana ny mpanjifa izao loka natolotray izao. Manakaiky ny mpan­jifa hatrany izahay, manaporofo izany ireto nahazo loka sy fitiavan’izy ireo ny lalao Quizz Mlay, manambara ny finiavan’izy ireo. Anio izahay mankasitraka ny fahai­zan’izy ireo », hoy Ratsimba­ri­son Anna, mpiandraikitra ny serasera ao amin’ny Airtel Madagascar.
« Quizz Mlay » dia fialamboly no fahalalana ankapobeny ho an’ny mponina rehetra manerana ny Nosy mampiasa ny tambajotra Airtel. Manam­bara ny fisokafana amin’ireo mampiasa izany. Izay rehetra ataon’ny Airtel dia mifandraika amin’ny lanjany : fanajana, firaisan-kina sy fahavitriana. Marihina fa mitohy ihany ny lalao, mety hahazoana fiara vaovao SUV.

Ndrina

Partager sur: