Fiara fitateram-bahoaka, zotra 144, iray tapaka transmission tetsy Avaradoha, omaly tamin’ny 4 ora hariva. Nizotra hiakatra an’Ampasapito ity fiara iray ity, feno mpandeha izao nisy olana tampoka izao. Saika niharan-doza noho ny lalana miakatra ireo tao anaty fiara. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ireo mpandeha anefa, vao nahavita fitsirihana “visite téchnique” io fiara io ka tsy tokony ho nisy olana.
Lehilahy iray tratran’ny fokonolona nanao hala-boty tetsy Antanetibe Talatamaty, omaly maraina. Lehilahy maromaro izy ireo no niaraka saingy tafaporitsaka ny namany. Tezitra ny olona ary namono azy. Hita teny aminy ny gana sy gisa avy nangalariny. Efa natolotra ny manam-pahefana izy taorian’izay.
Manao antso avo amin’ny minisitry ny Fitsarana ny fianakavian’ny raim-pianakaviana iray namoy ny ainy voatifitra teo amin’ny tohatohabato amin’ny tonelina Ambohidahy, ny 11 oktobra lasa teo. Mba hijerena ny raharaha mahakasika ireo nahavanon-doza sy nitifitra ka nahafaty olona tamin’ireny fotoana ireny ny atso ataon’izy ireo. Nitolona noho ny tsy rariny sy ny hery famoretana, fampijaliana ny Malagasy, ary ho an’ny hoavin’ny taranany izy, hoy izy ireo.
Nametraka paikady manokana ny polisim-pirenana hanalefahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Hita eny amin’ny kihon-dalana lehibe mivoaka sy miditra an’Antananarivo izany. Nojerena nanomboka omaly ny eny amin’ny faritr’Analamahitsy. Nampitomboina ny isan’ny polisy eny an-kianja, ahitana ny avy ao amin’ny kaomisaria foibe Avaradrano, ny kaomisaria Boriborintany faha-08 ary ny avy amin’ny Polisy misahana ny fifamoivoizana.




