Orinasa Star : Tohodrano manondraka velaran-tany 350 ha ao Tsiafajavona

Mampiseho ny fandraisany andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina (RSE) ny orinasa Star. Nohamafisiny ny toerany amin’ny maha lohalaharana azy amin’ny sehatry ny indostria sy ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny mponina.

Anisan’izany ny zava-bita any amin’ny kaominina Tsiafajavona, distrika Ambatolampy, faritra Vaki­nankaratra, ahitana mponina maherin’ny 23 000. Nasehony fa mifameno tsara ny fivoa­rana ara-toekarena sy ny fampandrosoana lovain-jafy, amin’ ny alalan’ireo asa natao ho an’ny fambolena, ny fanabeazana ary nanehoana ny firaisankinan’ny mponina. Noto­kanana ny 7 novambra 2025 teo ny tohodrano any Ankihe­niheny, afaka manondraka tanimbary 200 ha. Hanampy ny tohodrano any Fonenan­tsoa, niasa nanomboka ny taona 2022, manondraka tanimbary 150 ha, ity fotodrafitrasa ity. Izany hoe, nitombo ho 350 ha ny velaran-tany voajary, ahafahan’ny tantsaha mamboly vary sy manao voly avotra, ha­natsarana ny vokatra, ny velontena ary ny fidiram-bola. Notsorin’ny so­lontenan’ny tantsaha fa hiakatra 90% ny vokatra ho azo raha 20% monja izany tamin’ny taon-dasa.

Iankinan’ny hoavy ny fanabeazana

Tsy ataon’ny orinasa Star ambanin-javatra ihany koa ny sehatry ny fanabeazana. Mi­isa 2 ny sekoly EPP notoka­nana, manaraka ny fenitra, miaraka amin’ny kojakoja toy ny dabilio, seza sy latabatra, ary misy fotodafitrasa ho an’ ny toeram-pivoahana. Maha­tratra 750 ny mpianatra misitraka fotodrafitrasa mendrika, ahafahany manomana ny hoaviny. Anisan’izany ny any Anteza, trano iray misy efitrano fampianarana 3, miampy dabilio 75 ho an’ny mpianatra 300. Manampy izany, trano 2, misy efitrano fampianarana, novatsiana dabilio miisa 100 ho an’ny mpianatra 450 any Ankiheniheny.
Nisy ny fizarana vary 1 tao­nina sy zava-pisotro ho an’ny mponina. Nambaran’ny talen’ ny Serasera ao amin’ny Star, Randriambolamana Seheno, fa vokatry ny fifampiresahana tamin’ny kaominina Tsiafa­javona, amaliana ny filàn’ny mponina no nahafahana na­natanteraka ireo fotodrafitrasa ireo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: