CA- ORT : Fifanakalozana traikefa tany Alsace

Miara-miombon’antoka ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM), ny fikambanana Tourisme sans frontière (TSF) ary ny Alsace Destination Tourisme (ADT). Tany Colmar, Alsace, Frantsa, ny 10 sy 11 novambra, ireo mpikambana ao anatin’ny filankevi-pitantanana (CA) ny Ofisim-paritry ny fizahantany (ORT) Boeny, Betsiboka, Sava ary Isalo, Ihorombe. Fanohizana ny nandraisan’izy ireo anjara tamin’ny “Salon Solidarissimo”, andiany faha-16, hampiroboroboana ny fizahantany maharitra sady tomponandraikitra, natao ny 7- 9 novambra teo, tany Colmar, Alsace, ny dia nataon’izy ireo tany. Nahita maso ny fahaiza-miasa amin’ny fizahantany maharitra ny delegasionina malagasy. Nanamafisana ny traikefa amin’ny lafiny tsena sy fampiroboroboana ny fizahantany, ny fanomezan-danja ny vakoka sy ny fomban-drazana any an-toerana ihany koa. Nisy ny fiofanana, ny fitsidihana ny toerana manan-tantara, ny fihaonana tamin’ireo mpisehatra amin’ny fizahan­tany, ny talenta, ny nahandro, any Alsace, nandritra izany.
Fanatanterahana ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Alsace ity fitsidihana ity. Maneho ny fampiroboroboana ny fizahantany iombonana, tompon’andraikitra, manome lanja ny vakoka ara-kolontsaina sy ara-boajanahary.

Njaka A.

Partager sur: