TSELATRA

Mpamily taxi-be 015 sy mpanampy azy samy nohazonin’ny polisy rehefa tratra nandika lalàna teny amin’ny Rond point Isotry, ny 11 novambra teo. Nihodina an-dalana izy roa lahy ary mbola nanevateva ny mpitandro filaminana. Naiditra am-balam-pamonjana avy hatrany ny fiara.

Dahalo mpaka an-keriny lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, avotra ilay takalonaina tao amin’ny fokontany Antanetibe, kaominina Marotampona, afakomaly. Nikasa hangalatra omby ireo olon-dratsy saingy tsy nahomby izany. Nobatainy nanaraka azy ny zazalahy 10 taona, mpiandry omby.

Lehilahy voarohirohy ho mpiray tendro tamin’ny fangalarana voamaso ana zazavavy 13 taona, tao Ambi­nan’ny Sakalava, kaominina Ambolomadinika, afakomaly. Nalain’ireo tsy valahara ny voamason’ireo lasibatra ireo. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

Partager sur: