«TBF andiany faha-10» : Kendrena manokana ny mpizahatany eto an-toerana

Nanomboka omaly, ny Tsenaben’ny fizahantany (TBF). Hiavaka noho ny teo aloha ity andiany faha-10 ity, satria matihanina miisa 20 no hitondra tolotra vaovao ho an’ny mpitsidika, indrindra ny teratany.

Atao ny 13, 14 ary 15 no­vambra izao ny Tsena­ben’ny fizahantany (TBF) andiany faha-10. Mia­raka mikarakara azy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), ny Ofisim-pirenena misahana ny Fiza­hantany (ONTM). Efa lasa fahazarana ho an’ny Mala­gasy sy ny eto an-toerana ny TBF, amin’izao andiany faha-10, izao.
Hampiavaka ity andiany ity ny hampahalalana ny mpitsidika malagasy sy vahiny monina eto Madagasikara ny toerana azo aleha mandritra ny fialantsasatra ho avy. Maro ny karazana tolotra vaovao, na koa efa misy, azo isafidianana, arakaraka ny fahefa-mividy sy ny filàn’ny tsirairay. Miisa 20 ny matihanina hampiseho ny tolotrany, ahitana ny mpikarakara mpizahatany (Tours opérateurs), ny trano fisakafoana sy fiantranoana, ny toeram-piofanana, ny kaompania Ma­da­gascar Airlines, sns. Mana­na tranoheva manokana rahateo ny mpikarakara, ny minisitera MTA sy ny ONTM.
Tolotra manokana marobe

Hisy ny tolotra manokana ho an’ny faran’ny taona 2025. Eo koa ny ho an’ny mandritra ny taona 2026 sy ny ho an’ny faran’ny herinandro. Ary misy ny mandritra ny hetsika TBF (13,14 15 novambra).
Manentana ny mpitsidika ny Tsenaben’ny fizahantany mba hanatonan’ny mpitsidika ny matihanina amin’ny fizahantany mahakasika ny fikarakarana ny diany. Satria, izy ireny no hanoro sy hampahalala ny toerana tsara aleha, ahitana ny harena voajanahary eto amintsika. Miisa 6 500 ny mpitsidika andrasana amin’ity TBF andiany faha-10 ity. Nanokatra ny hetsika, omaly, tetsy amin’ny Zaridainan’An­tani­na­renina, ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Vololoniaina Lucie.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: