Fametrahana sehatra tsy miankina mamiratra, maharitra ary feno fahombiazana ho an’i Madagasikara, ireo ny foto-kevitra hijoroan’ny « Jeune patronat de Madagascar (JPM) ». Omaly, nihaona tamin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina, Rasoarahona Andriniaina, ny mpikambana ao amin’ny JPM. Nohazavain’izy ireo nandritra izany ny vinan’ny hetsika « La rentrée du jeune patronat » izay atao ny 27 sy 28 novambra. Tanjona ny hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana. Mandritra izany, hanolotra ireo tetikasa fototra ny JPM, iarahany amin’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatra tsy miankina. Hofaritana ireo sakana atrehin’ny orinasa madinika sy salantsalany tantanin’ny tanora, toy ny fikarakarana taratasy samihafa, ny hetra, ny famatsiam-bola, ny fidirana amin’ny tsena, sns. Handroso soso-kevitra izay azo tanterahina sy mifanaraka amin’ny zava-misy eto an-toerana ihany koa ny hetsika atao. Araka izany, hojerena manokana ireo teboka fototra hanohanana ny toekarena sy hanarenana ary hampandrosoana ny fandraharahan’ny tanora. Nanome tantsoroka ny minisitra hiaraha-mamindra ho fampandrosoana ny fandraharahana ao anaty mangarahara tanteraka.
Henintsoa




