«Tsy loharanom-bola fotsiny ny hetra fa tena fitaovana politika ara-toekarena », hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo. Miantoka ny fampiroboroboana ny toekarena sy hanatsarana ny lafiny sosialin’ny mponina ny fomba fijerin’ny fitondram-panjakana ny hetra. Misongadina izany ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola (PLFI 2026) izay mikendry ny hampifandanja ny fifehezana ara-bola, ny fanarenana ny toekarena ary ny fampivelarana ny sosialy. Tanjona ny hampifandray ny tombontsoa ara-ketra amin’ny vokatra azo tsapain-tanana, toy ny famoronan’asa, ny firoboroboan’ny famokarana, ny fanamafisana ny fahaiza-manao samihafa. Noho izany, ho jerena ny antsipirihany amin’ny fandaniana ara-ketra, hisy ny fampihenana izany hatramin’ny 290 miliara Ar, araka ny fifanarahana tamin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI).
Ankilany, omena-danja ny ady amin’ny hosoka sy ny fanavaozana ny hetra sy ny fanafarana entana. Hanampy amin’ny fampitomboana sy fampitoviana ny adidy eo amin’ny mpandoa hetra ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Nilaza ny minisitra fa: « efa aman-taona maro no nijanona teo amin’ny 11% ny taux de pression fiscale antsika ». Tanjona, araka izany, ny hanohana maharitra ny fampandrosoana amin’ny alalan’ireo hetra efa voaangona.
Mivoatra
« Mila jerena manokana ny seha-pamokarana miantoka ny fanarenana ny toekarena », hoy hatrany ny minisitra. Hodinihina ihany koa ny momba ireo orinasa mamokatra hatrany amin’ny 75% amin’ny vola miditra amin’ny hetra. Tsiahivina fa mifototra amin’ny fanatsarana ny toekarena, ny fiarovana ny fahefa-mividy mifanaraka amin’ny fandaniana atao ary hanatsarana ny fitantanam-bola mba hamerenana ny fahatokisan’ny mponina ny “PLFI 2026”.
Henintsoa




