Hisokatra ny 20 novambra ho avy izao ny taom-piotazana letisia 2025, araka ny tinapaky ny Vondrona mpanondrana letisia (Gel). Hisokatra anio 14 novambra, ny Birao tokana, hikarakarana ny antontan-taratasy ilain’ny mpisehatra rehetra. Miondrana any Eoropa ny 90% ny letisia avy aty Madagasikara, ary any Rosia sy Emirats Arabo Mitambatra ny ambiny. Nihena 50% ny vokatra tamin’ny taon-dasa.
Masomboly vary Sebota 281 maherin’ny 26 taonina sy fitaovam-pambolena, toy ny «pulvérisateur», no natolotra ny tantsaha any amin’ny distrikan’i Manja. Nisitraka izany ny tantsaha any amin’ny lemak’i Vondrove, Manjabe, Manjakely, Ambararata, Soalengo, Lapaolo, Sakalava, Manolodroa ary Andoho. Hiatrehana ny taom-pambolena asa 2025-2026 ity fanohanana ity, ataon’ny tetikasa AD2M sy ny Drae Menabe.
Hovahana ny olan’ny « connexion » eto amintsika, araka ny fampanantenana nataon’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra. Anatin’ny fifampiresahana amin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra telo eto ny tenany handinihina ny marimaritra iraisana. Marihina fa anisan’ny lafo ny saran’ny « connexion » eto amintsika raha oharina amin’ireo Nosy manodidina.




