TSELATRA

Olona roa, lahy sy vavy, niara-nosamborin’ny mpitandro filaminana noho ny fambolena zava-mahadomelina teny Ambohipanja, kaominina Ankadikely Ilafy, omaly. Naha­­trarana fototra rongony 20 naniry tao amin’ireo olona ireo.
Roa lahy mpisoloky amin’ny alalan’ny kalanoro sandoka nosamborin’ny mpitandro filaminana tao Main­tirano, afakomaly. Nahazoan’izy roa lahy vola mitentina 20 tapitrisa, niampy firavaka volamena sy volafotsy, ny lehi­lahy iray lasibatra.
Lehilahy mpangalatra moto tra-tehaky ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny CSP6 teny Ambohi­ma­narina, afakomaly. Moto Yamaha C2 nangalarin’io lehilahy io. Nokarohin’ny mpitandro filaminana izy ka izao tratra ireo.
Tovolahy iray tratran’ny fokonolona sy ny zandary nangarom-paosy teny amin’ny kaominina Fenoarivo, afakomaly. Nikasa handositra io mpanao ratsy io saingy notanan’ny fokonolona ary natolotra ny zandary.

Partager sur: