VAOVAO TAMBATRA

Nahitam-piakarany sahady ny vidin’atody eny an-tsena tao anatin’ny andro vitsy. Manomboka amin’ ny 500 Ar ka hatramin’ny 700Ar ny vidin’ izany eny amin’ny mpanijara raha toa 450 Ar teo aloha. Ani­san’ny mampiakatra ny vidin’atody ny fiakaran’ny vidin-katsaka izay foto-tsakafon’ireo biby fiompy.

Tafita ny fahalalana nozaraina tamin’ireo mpiompy trondro avy amin’ny fikambanana Mahavo­tse, tao Fenoarivo, distrika Amboasary. Nanomboka naka ireo trondro nompiana nandritra ny enim-bolana ireo mpiompy, afapo ny rehetra satria tafakatra 200 g eo ny trondro iray. Tapaka fa atao site “vitrine” ao an-toerana ity toeram-piompiana trondro ity. Marihina fa zana-trondro miisa 600 no narotsaka tao amin’ny dobo.

Mihoatra ny 5 miliara dolara ny vola voaan­gona ao anatin’ny tetikasa “Tropical Forest Forever Facility” (TFFF) hankasitrahana ireo firenena miaro
ny alany. Omena mivantana ireo vondrom-piaraha-monina sy mponina eny ifotony ny 20% amin’ny vola. Izy ireo izay tena mpiambina sy mpiaro ny ala.

Partager sur: