Zandary sandoka: nandoro olona velona tamin’ny lasantsy

Loza tsy roa aman-tany ny niseho tao Sandrandahy distrika Fandriana. Lehilahy nisandoka ho zandary no nandoro olona velona, ny alahady teo. Anke­hitriny, voasambotra ilay mpisandoka ho zandary voatondro ho nanao izany. Atao fanadihadiana izy ary hiakatra fampanoavana tsy ho ela. Ny alakamisy teo, very ny lakolosim-piangonana katolika iray ao Amboaimena. Hita anefa izany ny ampitson’io ka olona miisa telo no nitsotra ho nanao izany. Araka izany, nifandamina ny roa tonta, tsy nisy fitoriana ny raharaha. Taty aoriana, nisy lehilahy iray tonga tao amin’ilay kaominina nitady irony vola taloha irony hovidiana. Mito­non-tena ho zandary izy sady matory ao amin’ny biraon’ny kaominina ka reny ilay trangana halatra lakolosy. Noho izany, nanararaotra izy sady nampihorohoro roa lahy sendra hitany. Namaly anefa ireto sendra azy fa tsy nanao ilay halatra lakolosy saingy tsy namelan’ilay mpisandoka mihitsy. Tsy vitan’izany fa mbola notakiny vola izy roa lahy ka nolazainy fa hodorany velona amin’ny lasantsy. Vita izay, naka izany ilay lehilahy ka nandoro velona an’iretsy mpihavana. May tanteraka ta­min’izany ny iray raha tsy dia naninona kosa ny iray hafa. Nanokatra famotorana ny zandarimaria ao an-toerana. Voa­sambotra, afakomaly, tao San­drandahy ihany ilay voatondro ho nahavanon-doza. Ny havany no zandary fa tsy izy velively, hoy ny loharanom-baovao iray. Mitohy ny famotorana.

Henintsoa H.

Partager sur: