Taona 2022-Toamasina : 228 ny taratasin’ady notsaraina

Araka ny didim-pitantanana “ordonnance” laharana faha 191-CC/CAT/Toa/22 nosoniavin’ny filoha voalohany misahana ny sampam-pitsarana eo anivon’ny fitsarana Ambony Toama­sina, nisokatra ny 5 de­sambra 2022 ny fotoam-pitsarana andiany faharoa ho an’ny “cour criminelle ordinaire, cour criminelle special aggravée de Toamasina. Voakasik’izany ireo toerana misy fitsarana ambaratonga voalohany anatin’ny faritany Toa­masina, Amba­tondrazaka, Mora­manga, Vatomandry, Fenoarivo Atsi­nanana ary Toamasina. Mi­ton­taly 228 ny antontan-taratasin’ady amin’ireo distrika dimy ireo izay mitsinjara ho toy izao : Ambatondrazaka 61, Mora­man­ga 16, Vatomandry 49, Fenoari­vo Atsinanana 30 ary Toamasina 72. Nisongadina tamin’ny fo­toam-pitsarana ho an’i Toama­sina, ny fiakaran’ny tahan’ny loham-piampangana momba ny vonoan’olona sy ny fikambanan-jiolahy mpanao fanafihana mi­tam-piadiana izay nahatratra 27, faharoa ny fanolanana ankizy latsaky ny 15 taona sy fanolanana ankizy latsaky ny 4 taona ary ny fanolananan mitarika fahafatesana. Telo ireo trangana vaky fsana arahina halatra taolam-paty sy fanampoizinana ary iray kosa ny loham-piampangana mom­ba ny fanambadiana zanaka. Teo koa ny trafikana rongony mahery vaika, hosoka sy fa­naovana hosoka ary ny fanodikondinam-bola tamina orinasa. Didy fanamelohana asa an-terivozona mandra-pahafatiny mi­isa telo sy didy fampisamborana hatramin’ny folo no mivoaka. Anisan’iza­ny ny raharaha vonoan’olona tao amin’ny fo­kontany Antenina Kaomi­nina Mahavelona Foul­pointe, araka ny antontan-taratasin’ady faha 027-toa/11-7528-RP/10.

Sajo/J.C

Partager sur: