Tsy mety foana! Lasan’ny dahalo fito lahy nirongo fitaovam-piadiana indray ny zaza varira iray tao Ampitsapitsa, anatin’ny kaominina ambanivohitra Loafary, distrikan’i Vangaindrano, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy 31 janoary teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano nisy io zaza io ireo dahalo tamin’ny 02 ora sy sasany maraina. Tsy nisy fanazavana, nanambana basy ny ray aman-drenin’io zazavavikely 9 taona io ireo olon-dratsy. Nibata azy avy hatrany kosa ny roa lahy ary nirifatra nandositra izy ireo. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny teo amin’ny manodidina. Raikitra ny fanarahan-dia. Zandary miisa 15 no nahetsiky ny zandary avy ao amin’ny koampania Vangaindrano, tarihan’ny Lietnà Mandinison Lucky. Nanampy azy ireo ny fokonolona. Nampahafantarina koa ireo tobin’ny zandary manodidina sy ny toby miaramila. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Tsiahivina, efa nitondra fanazavana ny tomponandraikitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa olon-tsotra toy ny rehetra ihany ireo varira. Tsy misy antony tokony hakana an-keriny azy ireo, arak’izany, ary mampitandrina ireo minia mbola mananteraka izany.
Tsiferana R.




