Famatsiana herinaratra : Hotohizana ny hetsika fandatsahana orana

Nandroso vahaolana fohy ezaka sy lavitr’ezaka hamahana ny olan’ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Ralitera Ny Ando Jurice, raha nitafa mivantana tamin’ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza.

Vahaolana naroson’ny minisitra ny hanohizana ny hetsika fandatsahana orana (opération pluies provoquées) na OPP, rehefa afaka manao izany ny eny Andeka­leka sy ny manodidina. Ham­pakarana ny haavon’ny rano sy ny famokarana herinaratra avy any an-toerana izany.
Hanafatra milina mpamokatra herinaratra ihany koa ny fanjakana hanampiana tosika ny tambajotra iraisan’Anta­nanarivo (RIA) mba hisoro­hana ny délestage. “Halefa any amin’ny faritra kosa ireo milina ireo vantany vao miverina amin’ny laoniny ny famokarana herinaratra eo anivon’ny RIA, hanoloana ny milina efa antitra”, hoy ny minisitra. Ho vahana miaraka amin’izany ny olana any amin’ny faritra sy ny fandraisana ireo fangatahana isan-karazany.

Tetikasa

Tafiditra ao anatin’ny paikady apetraky ny minisitera ny hanangana tobim-pamoka­rana herinaratra mandeha amin’ny angovo azo havao­zina, hialana amin’ny fianteherana amin’ny fampiasana so­lika izay fantatra fa mandany volabe. Eo koa ireo tetikasa lehibe toa an’i Sahofika, Vo­lobe, Antetezambato ary Rano­ma­fana izay tobim-pamoka­rana.
Ankoatra izay, hanaovana fitsirihana ny fitantanana sy ny ara-bola eo anivon’ny orinasa Jirama. Hotohizana ny fampidirana herinaratra sy ny an­govo azo havaozina eny am­banivohitra. Tanjona, araka izany, ny hialana amin’ny olan’ ny famokarana herinaratra eto Madagasikara. Marihina fa mbola ny 35% ny Malagasy no misitraka herinaratra eto amin’ny firenena, amin’izao fotoana.

Henintsoa

Partager sur: