Maty voadonan’ny fiara teny Ankasina ny lehilahy iray, omaly. Nandositra ilay tompon’antoka. Tezitra ka nikomy ny mponina, nivadika ho sakan-dalana sy fandorana kodiarana ny zava-nisy.
Nanomboka tamin’ny 6 ora sy sasany maraina, nanakan-dalana sy nametraka sakana teny amin’ny lalam-baovao mampitohy an’ Andohatapenaka sy Ankazomanga, ny mponina teny Ankasina, omaly. Tsiahivina fa nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona teny an-toerana, tamin’ny 4 ora sy sasany maraina, raha ny filazan’ireto farany. “Naharay antso ny tenako fa maty voafaokan’ny fiara ny lehilahy iray izay anisan’ny zafiko”, hoy ny lehiben’ny faritra faha-IV ao Ankasina, Rakotoampianilako.
Hivoaka ny trano hamonjy asa maraina izy no io tra-doza io, araka ny angom-baovao teny an-toerana. “Nandositra ny fiara. Taraiky koa ny fandraisana andraikitra”, hoy ny fanazavana. Niatrana teny an-toerana ny ekipan’ny polisim-pirenena nandamina ny toe-draharaha saingy nihamaro ireo mponina nivoaka ny trano fonenany rehefa nanomboka nifamezivezy ny fiara sy ny moto. Nandoro kodiarana sy nanakan-dalana ny vatan-dehilahy. Nanatevin-daharana ny zaza amam-behivavy teny an-toerana. Miisa telo ireo sakana nataon’izy ireo tamin’io fotoana io.
Nisavoritaka tanteraka
Nitohana avokoa ny fifamoivoizana tamin’ny faritra manodidina an’Andohatapenaka, Ankazomanga, hatrany amin’ny Digue, omaly. Nisavoritaka tanteraka ny fifamoivoizana. Nidrikina tsy nanaiky nanala ny sakan-dalàna ny mponina. Voatery niverin-dalana ny mpiasa sy ny mpianatra.
Efa tamin’ny mitataovovonana vao nisy ny tomponandraikitra nidina nizaha akaiky ny fizotry ny toe-darahara teny an-toerana. Teo vao nanomboka ny fanelanelanana tamin’ny famahana ny lalana. Nidina teny an-toerana rahateo ny eo anivon’ny kaominina namerina ny fanalefahana ny hafainganam-pandeha na “casseur de vitesse”.
Maro loatra!
“Lozam-pifamoivoizana efatra niseho tety hatramin’ny nanesorana ny Casseur de vitesse, volana vitsy lasa”, hoy ny lehiben’ny faritra faha-IV ao Ankasina. Izay rahateo no voalaza fa antony nahatonga ny fitokonana. Nilaza ny mponina fa famonoana azy ireo ny fanesorana ny “casseur de Vitesse”. “Efa nanao taratasy fangatahana teny anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra rahateo izahay”, hoy ny loharanom-baovao.
Naverina, araka izany, ny fanalefahana ny hafainganam-pandeha eny amin’ny lalam-baovao mampitohy an’Andohatapenaka sy Ankazomanga, nahafahana nanokatra ny arabe. Tsy nijanona hatreo anefa ny hetsika fa nisy ny mbola nikononkonona ny hanohy izany ny tolakandro. Efa nidina nijery ny zava-nisy ny polisim-pirenena sy ny zandary. Nentina teny amin’ny tranom-paty nanaovana fizahana ny razana, ora valo taorian’ny nahafaty azy.
Tsiferana R.




