Fampianarana : hofanina mikasika ny tan-tsoroka an-tsekoly ireo Dren 23

Talen-tsekoly anarivony ao amin’ny Dren 23 no hisitraka fanofanana mikasika ny tan-tsoroka an-tsekoly. Hitohy amin’ny Dren rehetra ny fanatanterahana izany.

Notanterahina ny 30 desambra teo ary hifarana anio ny dingana fahatelo amin’ny fampiofanana mikasika ny fampiroboroboana ny tan-tsoroka an-tsekoly. Tanterahina amin’ireo foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena (Dren) miisa 23 izany.
Miisa 2 615 ireo talen-tsekoly hisitraka ny fampiofanana. Tanjona ny hananan’izy ireo ny fahaiza-manao amin’ny fitantanana ny sekoly sy ny fampiroboroboana ny fampianarana ao aminy, indrindra ny fandrindrana ny asa.
Natomboka tamin’ny foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena teto Analamanga, Itasy, Bongo­lava, Amoron’i Mania, Alaotra Mangoro, Matsiatra Ambony, Vatovavy, Androy, Atsimo Andrefana, Ihorombe sy ny fari-piadidiam-pampianarana Manakara no nanaovana ny fampiofanana.
Misy ireo toerana mbola tena saro-dalana vokatry ny andro ratsy teo ka izay no anton’ny fandrindrana. Hi­tohy izany ho an’ny Dren hafa, hatao ny 7 ka hatramin’ny 10 febroary izao. Anisan’ ny hanohizana ny hetsika
ny any Diana, Sava, Sofia, Betsiboka, Boeny, Melaky, Menabe, Analanjirofo, Vaki­nankaratra, Fitovinany ary Anosy
Tanterahina eny anivon’ny foibe fampivondronana miisa 26 manerana ny Foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena (DREN) miisa 23 ny dingana fahatelo amin’ny fampiofanana ny talen-tsekoly hahatonga azy ireo ho matihanina amin’ny asany.

Tatiana A

Partager sur: