22 ireo tolotra tsy andoavam-bola mandritra ny famonjana nefa maro ny voafonja no iharan’ny kolikoly , araka ny fanazavana nentin’ny vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny zon’
olombelona (CNIDH). Anisan’izany ny fahazoana sakafo avy amin’ny sampandraharahan’ny famonjana sy ny safako avy amin’ny fianakavian’ny voafonja na ireo fikambanana. Tsy tokony handoavam-bola,noho izany ny fidiran’ny sakafo eny anivon’ny toerana famonjana. Mila manana karne ny fianakavian’ny voafonja tsirairay ahitana ny sakafo rehetra aterina. Mandalo ny fanarahamason’ny mpiasan’ny fandraharahana ny fonja izay mampitaha ny lisitra voarakitra ao anatin’ilay karne sy ny sakafo naterina. Maimaimpoana ny fisitrahana rano sy ny toeram-pidiovana sy ny kojakoja fidiovana. Afaka manao fanatanjahan-tena koa ny voafonja rehetra ary mahazo fitsaboana sy miditra hopitaly raha ilaina izany. Tsy tokony hisy sarany ny fitsidihana isan-kerinandro sy ny fifandraisana avy amin’ny fianakaviana
Anisan’ny tolotra azon’ny voafonja koa ny fikarakarana ny fahafahana vonjy maika sy ny fahafahana arahina fepetra.
Ho an’ny fonja tany amin’ ny faritra Sava izay nohadihadiana. Tsy maintsy manome vola ny fianakavian’ny voafonja hananany antoka fa tonga eny am-pelatanan’ny havany ny sakafo nateriny. Momba ny fahazoana mitsidika ny voafonja, mandoa vola amin’ny mpiasan’ny fonja ireo fianakaviana maniry ny hamangy ny havana amin’ny fotoana tsy fandraisana mpitsidika . Toy izany koa raha mila fotoana maharitra kokoa noho ny fotoana voafetra haharetan’ny fihaonana.
Vonjy




