Miisa 33 ireo olona maty vokatry ny rivodoza CHENESO teto amin’ny Nosy. Mahatratra 20 ireo tsy hita popoka nandritra izany, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny BNRGC (birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza), omaly. Maherin’ny 90.870 ireo olona tra-boina manerana ny Nosy. Mitsinjara amin’ny faritra 17 ny tra-boina, 20.980 amin’izy ireo. Mahatratra 34.114 ny olona tsy maintsy nafindra toerana. Vokatry ny tondra-drano sy ny fahapotehan’ny trano fonenany. Notsinjaraina amin’ny toerana samihafa miisa 115 ao anatin’ny faritra fito izy ireo. Efa nahitana fihenana ny ankamaroan’ireo toerana sy faritra dobo-drano rehetra. Taorian’ny tsy fisian’ny rotsak’orana nentin’i Cheneso. Efa miha malalaka, arak’izany, ny toerana nandraisana azy ireo ankehitriny. Maherin’ny 26.403 ireo tanimbary dobo-drano , anisan’izany ny eto amin’ny faritr’Analamanga. Potika avokoa ny tanimbary 1073 amin’izany.
Mino (mpianatra asa)




