Nanao sonia fiaraha-miasa ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Profesora Assoumacou Elia Béatrice sy ny masoivoho japoney miasa eto amintsika, Abe Koji, ny fiandohan’ny herinandro teo. Hiompana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny tohana ka voakasika manokana ny fiarovana ny Yagiyama Zoological Park sy ny Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza (PBZT).
Mitety ireo tanàna saro-dalana any Atsimo ireo mpiasan’ny fahasalamana sy mpanao vaksiny. Tanjona ny hanaovana vaksiny ireo ankizy rehetra izay tsy mbola nahazo na dia fatra iray tamin’ny vaksiny mahazatra aza. Mihoatra ny 300 000 izy ireo eto Madagasikara tamin’ny taona 2021. Laharam-pahamehan’ny Unicef amin’ity taona ity ny fampihenana ho amin’ny antsasany ny isan’ny zaza tsy vita vaksiny ho fiarovana azy ireo amin’ny areti-mandoza sy mety mahafaty.
13 ireo faritra nahazo ny “kits scolaires” ka anisany ny mpianatra avy ao amin’ny kilasy mendrika indrindra eo anivon’ny LTP Manandriana, Diana, Atsimo Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, Boeny, Analamanga, Analanjirofo, Atsinanana, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Itasy, Menabe, Atsimo Andrefana ary Amoron’i Mania. Miroso amin’ny fizarana ireo “kits scolaires” ho an’ireo faritra izay tsy mbola nisitraka izany ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Nahazo ny anjarany ireo mpianatra avy ao Manandriana tamin’ny alatsinainy lasa teo.




