Araka ny fanadihadiana nataon’ny SFI*, 80 % amin’ny tantsaha tsy te ho matiantoka na very vola fotsiny eo amin’ny fambolena, ka maniry ny hanana fiantohana izy ireo amin’ny asany. Mateti-pitranga rahateo ny vokatry ny andro ratsy eto Madagasikara, haintany na rivodoza.
Ahoana ny hiatrehan’ireo mpamboly ny fahavoazana saika isan-taona any amin’ny fambolena, ka hiverenana indray rehefa lasa ny andro ratsy ? Ny fanadihadiana natao nanambara fa tsy misy fiantohana mivantana na tsy maintsy atao amin’ny fambolena eto Madagasikara. Na dia fantatra aza fa maro an’isa amin’ny Malagasy mpamboly avokoa, ary mora hiavian’ny haintany sy tondra-drano eto Madagasikara.
Ny ankamaroan’ny mpamboly, na ireo miasa amina velaran-tany latsaky ny 1 ha aza mila an’io fiantohana io, ho fanampiana azy ireo tsy ho matiantoka amin’ny asa ataony. Efa misy fikambanan’ny tantsaha, «Foyers des paysans» eto Analamanga, mitady lalana ho fiarovana ny mpikambana ao aminy. Ny Aro sy Ny Havana, ohatra, efa miasa ho an’izay sampana fiarovana izay ho an’ny voly vary, katsaka, lavanila ary jirofo.
Zava-dehibe, noho izany, ny fiantohana ny fambolena, mandrisika ny olona hiasa bebe kokoa, ary mampitombo ny vokatra. Tsy maintsy misy anefa ny fiaraha-midiniky ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina amin’ny lalàna momba ny fiantohana ny fambolena. Hatraiza ny andraikitra sahanin’ny fanjakana fa tsy mianona fotsiny amin’ny fanalalahana ? Ilaina ny fandrindran’asa eo amin’ny rehetra noho ny faharatsian’ny toetr’andro.
Eto Madagasikara, mbola ambany dia ambany ny fiantohana ankapobeny, tsy misy afa-tsy 0,7 % amin’ny tahan’ny harinkarena faobe.
Ndrina
SFI* : Société financière internationale




