Mbola ambetin-dresaky ny rehetra hatramin’izao ny faharesen’ny Barea de Madagascar, teo amin’ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2022”.
Mbola samy mitsakotsako ny faharesen’ny Barea, teo amin’ny manasa-dalana hiadiana ny amboaran’ny “Chan” atao any Algérie, na ireo mpilalao na ny mpanazatra na ny vahoaka malagasy 25 tapitrisa nanaraka ny fihaonana ny talata lasa teo. Samy nahatsapa ny rehetra fa tsy mahazaka tarihana an’isa ny Malagasy. Lasa mikoropaka sy tsy manana fahatokisan-tena intsony satria lasa mikoropaka sy maika hanasahala ny isa.
Raha tsiahivina mantsy, nitarika an’isa foana ny Barea tamin’ireo fihaonana rehetra nataony nanomboka tany amin’ny fifanintsanana ka hatreo amin’ny ampahefa-dalana. Feno fahatokisana ireo mpilalao, hany ka sahy mampiseho ny tena fahaizany. Nifanohitra tamin’izay ny zava-nisy ny talata lasa teo. Tafiditra aloha loatra ilay baolina ka nisavoritaka ny sain’ireo mpilalao, betsaka ny baolina tsy tonga any amin’ny namana fa lasa any amin’ny mpifanandrina. Niaiky izany rahateo i Rôrô mpanazatra. Na izany aza, nambarany fa nisy fiantraikany tamin’ireo mpilalao ny fomba fitsarana sy ny tsy fisian’ny VAR.
Tsy tratra ny tanjona
Nanambara i Rôrô mpanazatra ny Barea fa tsy nahatratra ny tanjona ny Barea de Madagascar izay nihevitra ny hibata ny amboara. Na izany aza, tsy manilika ny faharesena amin’ny mpilalao iray na roa fa rehefa resy dia miara-resy. Ankoatra izay, manolotra ny fialantsiny amin’ny mpitia baolina kitra malagasy rehetra, ny tenany. “Fantatray tanteraka ny alahelonareo sy ny fahadisoam-panantenanareo fa izay no atao hoe baolina . Raha misy ny tsikera raisina am-pitiavana entina hanatsarana ny ho avy. Raha samy ho resy ihany, aleo fahatelo toy izay fahefatra. Hifantoka tanteraka amin’ny lalao hiadiana ny medaly alimo izahay rahampitso zoma. Inoana fa mbola matoky anay ianareo”, hoy izy.
Tompondaka




