Notanterahina, omaly, tany Antsirabe, ny dingana famaranana na “Poule des As” ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara vehivavy sokajy sénior 2022. Nisongadina tanteraka ny Disciple FF Vakinankaratra tamin’ny fanombohan’ ity fifaninanana ity. Nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa 8 no ho 0 ny Mifa Analamanga. Lalao izay notanterahina tao amin’ny kianjan’i Velodrome Antsirabe, omaly.
Tsara fanombohana, araka izany, ity ekipan’ny ligin’i Vakinankaratra ity. Ankoatra izay, nisaraka ady sahala 0 no ho 0 ny ekipan’ny AC Sabnam Vakinankaratra sy ny Ascuf Matsiatra Ambony. Eo amin’ny laharana voalohany izany ny misy ny Disciple FF manana isa 3 raha toa ka samy eo amin’ny laharana faharoa ny AC Sabnam sy ny Ascuf, izay samy manana isa 1. Any amin’ny laharana farany kosa ny Mifa Analamanga, manana isa 0.
Marihina fa haharitra herinandro eo ity fifaninanana ity, izany hoe, ny 1-5 Febroary 2023. Tsiahivina fa natao hifantenana ny Barea vehivavy hanao ny Lalaon’ ny Nosy (JIOI 2023) ity fifanintsanana ity. Aorian’ity fifaninanana ity dia hiditra ny fampivondronana ireo mpilalao Barea vehivavy ny komisiaona misahana ny baolina kitra vehivavy, ary hisy ny lalao ara-pirahavaviana hihaonana amin’i Mayotte vehivavy, ny volana marsa ho avy izao.
Fitia (Mpianatra Asa)
Ny fandaharam-potoana :
3 Febroary 20223
Kianja Velodrome
10 ora : Ascuf Matsiatra Ambony vs Disciples FF
12 ora : AC Sabnam Vakinankaratra vs Mifa Analamanga
5 Febroary 2023
Kianja Velodrome
10 ora : Mifa Analamanga vs Ascuf Matsiatra Ambony
12 ora : AC Sabnam Vakinankaratra vs Discipkes FF Antsirabe




