La Réunion Kely : Lehilahy mpividy entana halatra, voasambotra

Voasambotry ny polisim-pirenena, tetsy amin’ny La Réunion kely, omaly, ny lehilahy iray, 34 taona. Mpandray sy mpividy entana halatra eny an-toerana izy io. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba aminy.

Niainga tamin’ny fitarainana nataon’ny olona iray ny nahazoana ity olon-dratsy ity. Tsiahivina, nitrangana vaky trano tetsy Ambohimi­rary, ny 20 novambra 2025 lasa teo. Lasan’ireo mpangalatra nandritra izany, ny entana sarobidy rehetra tao amin’ilay to­kantrano voatafika. Nanao fikarohana sy nandalo nijery ireo karazan’entana teny amin’iny la Réunion Kely iny ny tompon-trano taorian’izay. Hitany teny an-toerana avokoa ny ankamaroan’ireo entana tao an-tranony. Tonga nanao fitarainana teny amin’ny biraon’ny polisy ny tenany vantany vao nahita izany. Nidina nanao ny fikarohana sy nanamarina ny zava-misy teny ifotony avy hatrany ny polisy, taorian’izay. Nentina sy miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny Polisy Ampe­fi­loha ilay mpivarotra voarohirohy. Taorian’ny fanadihadiana natao, fantatra fa entana halatra avokoa ary misy mivarotra eny aminy amin’ny vidiny mora izany ka amidiny. Efa misy ireo olona manao ny asa fangalarana ka manatitra izany eny an-toerana, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Nahitana entana samihafa
Tafiditra ho anisan’ny toerana iray hivelaran’ny asa maloto amin’ny fivarotana entana halatra ny etsy amin’ny La Réunion Kely. Nandritra ny fisavana, hita teny amin’ity olon-dratsy ity ireo entana, toy ny vilany, akanjo, finday, solosaina, fitaovana elektronika, kojakoja an-dakozia sy ny maro hafa. Raha ny loharanom-baovao hatrany, hamidin’ireo mpangalatra amin’ny vidiny mora ireo entana.
Manentana ny olom-pirenena tsirairay avy ny polisim-pirenena mba tsy hividy na hampiasa ireo entana halatra sy tsy mazava ny taratasiny. Marihina fa mahavoasazy sy mampigadra rahateo ny fahatratrana ireo olona manao izany.

Mino

Partager sur: