Nampahafantarina omaly, tamin’ny fomba ofisialy, ny karazana apemba roa vaovao, Mina sy Manana. Valim-pikarohana vitan’ny Foibem-pikarohana momba ny fambolena (Fofifa). Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony (Mesupres), sy ny ao amin’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ity foibe ity. Eo koa ny foibem-pikarohana maneran-tany momba ny apemba, na Global Collaboration on Sorghum and Millet (GCSM), ao anatin’ny tetikasa “Apemba”. Mampiavaka an’ireto masomboly roa ireto ny fahafahany miatrika ny fiovan’ ny toetr’andro, indrindra ny haintany. Haingam-pitombo nefa tsara ny vokatra. Ahazoana 700 kilao isaky ny hekitara ny salanisam-bokatra eto Madagasikara, fa tafakatra 2 hatramin’ny 3,5taonina/ha raha tena tsara ny fomba fambolena azy. An-taonany maro ny fotoana nanaovan’ny Fofifa sy ny GCSM ny fikarohana sy fanandramana ara-tsiantifika, toy ny andrana DHS sy Vate.
Nilaza ny tale jeneralin’ny Fofifa fa ahitam-bokany sy azo antoka ny fikarohan’ny Malagasy mpikaroka. Mamaly ny filan’ny firenena ny masomboly Mina sy Manana, niarahana tamin’ireo mpikaroka sy fiaraha-miasa vahiny matotra. Hanova sy hitondra fampandrosoana lehibe ho an’ny lalam-pihariana apemba ny fanapariahana ireo masomboly roa vaovao ireo.
Njaka A.




